IBESAFIRA

L'Album 2007 de Tiana : IBESAFIRA

              

 

Extrait musicaux

01 - Ibesafira

02 - Zoma Hariva

03 - Mianara

04 - Hirao

05 - Raha tsy tara

06 - Tantara mitohy

07 - Tsofy rano

08 - Vaiavy mandihy

09 - Livako

10 - Dure Journée

11 - Andao hilalao

 

Textes

IBESAFIRA

La rumeur dit que le saphir coule à flot 
Tout le monde tamise!c'est la terre promise ! 
Et c'est la ruée  soudaine 
c'est peut être un cadeau  du ciel 
A l'île rouge qui attend le "new Eden"

Mety androany aho dia handeha
Androany ihany aho ô dia handao 
Ankiniko aminao ô ! mba ambeno 

Ireto fananako izaho hitsapa ny vintako              

Miafiafy kely eo dia lasa (x2) mpanarivo ô
Miafiafy kely ao dia lasa (x2) mpanarivo ô
Oooh  tiako ny mba ho any 

Misy Edena vaovao
Ao atsimo tsimo ao
Dia mirohotra mankany manantena
Be safira ao fa tsy tsaho

Ibesafira e Ibesafira 
Ibesafira e tolo-janahary e
Miafiafy kely ao dia lasa                x2
Miafiafy kely eo dia lasa mpanarivo ô
 An an an an ou ou ou  Miafiafy kely ao dia lasa  ………
Samy samy tsara ; Ilakaka  angaha Ilakaka  angaha 

Dia ny anjara sy ny andro
No andrasana amin'ny vata
Mety hivadika ny rafitra  ao e
Ka ny boto lasa pata
Ibesafira e Ibesafira e tolojanahary e……

Ou o ou  ô ou ô
Mety androany aho dia andeha ……….

Ibesafira e Ibesafira
Ibesafira e haha

A/C: Tiana
Arr: Tiana / Samy ANDRIAMANORO.
 
ANDAO HILALAO                                                             

On va s'amuser, Comme à la fête de la vie, Où tout est permis, 
Oubliez vos soucis, branchez la musique, Bougez ,chantez ,suivez la rythmique !!

Nde hilalao e nde hilalao e                
Andao hilalao e tsika 
Apetao malaky ny mozika e, apetao malaky ny mozika e 
Ny mozika e hoa , ny mozika e hoa      
Tsika rehetra e zay manatrika eto
Apekaro ambony ny tananareo 
Ny tanana miankavia aloha, ny tongotra miankavanana
Aiza e aiza e
Eh hilalao hilalao  eheh hilalao hilalao
Ny mozika e hoa
Andao hialao ary moa e
Hetsiketseo aloha ny loha e hetsiketseo aloha ny loha e
Ny mozika e hoa
Allons on va bien s"amuser, allons on va bien s"amuser
Oubliez vos soucis et chantez , oubliez vos soucis et chantez
Tsika rehetra e mafimafy ny feo o
Adinoy any izay sentosento o
Ny tanana miankavia aloha, ny tongotra miankavanana
Aiza e, aiza e
Ouaio ouaio , samy tia lalao isika e
Ka hitabataba naiza n"aiza tany misy mozika e

A; Tiana
C; Benja Mahavanona
Arr; Tiana /Benja Mahavanona
 
DURE JOURNEE

OO Tel est son sort, Se lever tôt commencer à l'aurore
Travailler dure sans reproche sans relâche, Du nettoyage au petites élevages
C'est de sa sueur et de son courage, Que vit son plus proche entourage

O O tsisy tsy atao   
Miala maraina isan'andro lava izao   
Mitady asaasa eny tsy mifidy atao   
Na batilazy na netoaiazy e    
Na repassage na bricolage  

Tsy mety reraka ô
Tonga ny lera mivoha ny bazary e
Manadiodio dia mahazo zato ariary e 
Miandriandry kely dia mivoha indray ny hotely e
Dia sasa vilany sy vilia e
Dia mbola hitohy indray ny journée (x2)

Matanjaka e, tsy mba mikolay tsy malaina tsy mitaraina (x2)
Miandry azy ny ankohonany any, maro sy madinika 
Tsy mitrosa , tsy mangataka e fa mahavita 

Ootsisy tsy atao……..
Hariva indray dia mivaro-tambavy e 
Atao amy siny namboarin-dravehivavy e
Manala havizanana ary tsy hampanavy e 
Dia mody amin'izay fa maizina e
Fa vita teo  n' dure journée (x2)

Refrain
Et c'est la fin d'une journée 

A/C   Tiana
Arr :Tiana
 
HIRAO 

Chanter c'est s'exprimer à haute voix, Partager sa douleur et sa joie 
S'approprier un destin qui n'est pas le votre parfois 
Alléger les chagrins, alors faites sortir votre voix 
Chantez ! chantez ! chanter !

Fa ny tany tsy ialan-tomany 
Mbola be aloka 
Ranomaso maneho izany sentosento lalina 

Hiraho  e hiraho 
Hiraho e hirao 

Fa ny tany tsy ialan-tomany mbola be aloka
Ranomaso no haneho izany 
Sentosento lalina
Hiraho e hiraho e hiraho e hiraho

 hira iray hira e  

Ref:  Avohay ilay hafaliana ô
avohay koa ilay fitsikiana ô
Hitsaboy 'lay fangirifiriana ô
Mahareta @ sarotra fa ny jaly tsy haharitra dia mihira 
Hanafaka andro anao

Ref: Avohay lay hafaliana………
Hoo hoo

Fa ny tsiky tsy mankarary 
Ny endrikao mirana
Aleo tsy miferin'aina
Aleo  koa tsy mitaraina

Hirao e hirao hirao e hirao 

Ref: Avohay ny afaliana ….

A/C: Tiana
Arr/ Tiana/Samy Andriamanoro
                                                               
LIVAKO                                               

MON LIVA
Un  rêve trop beau pour être vrai
Rendu réel le temps d'un trajet 
Coup de foudre et musique ont tout arrangé
Et le voyant lumineux signale tout arrêt

Fa satry tsy hiala, eo anilanao hilamina e                           
Eo anilanao hilamina e                                                        
Nisy fiara niravaka iray nandalo  ahy                                 
Fiara " nofy "  hono noanaran'izy izay                              
                                                                                           
Dia niditra aho 
Tao moa ianao ô ,toy ny  niandry ahy tao 
Nety be nety be ny dia
Dia sambatra isika e rotsin'ny mozika
Henika fitia
Livako ô livako ô 
Rehefa tonga ity fiara ity dia ho afoiko ianao sy ilay fitia
Livako ô livako ô 
Tena izy ve ianao sa nofy nandalo 

Chœur : Livako ô livako ô
               Raha tonga ity fiara ity ô Livako ô livako ô     
Dia afoiko ianao afoiko ianao 
Nisy jiro nitsilopilopy iray toa mampilaza
Efa hifarana ny lalana ka tsy maintsy miala
Samy te hanohy e, tsy te hifankafohy 
Teo dia nifangia
Ny andraso andraso , ny ranomaso 

Vita ilay fitia

A/C : Tiana
Arr/ Tiana/Samy Andriamanaoro



MIANARA

L'école est la clé….
Acquérir le plus de connaissance possible est fortement conseillé à Mada ! 
Souvent c'est un défi ! c'est bien d'avoir une beauté physique et artistique, 
mais la beauté intellectuelle est aussi un atout pour un meilleur avenir .

Oiaouo Oiaouo 

Tsara ny hira sy mankafy mandihy tena tsara e                        
Fa raha bado tsy lasa lavitra e mianara e                             
                                                                                            
Tsara ny tsena sy varotra mandeha tena tsara e                  
Fa raha bado tsy lasa lavitra e mianara e

Tsaratsara ny feonao, kanto ery ny mihaino anao
Lakilasy nomena anao lakile n'ny fiainana
Fenoy tsara ny ho avinao , fenoy amin'ny fahaizana
Lakilasy nomena anao lakilé an'ny fiainana
Aza misalasala mianara

Tsara ny hira sy mankafy mandihy tena tsara e
Fa raha bado tsy lasa lavitra e mianara e
Tsara ny bika sy ny endrikao mambabo , tena tsara e
Aza maika ny hanambady aloha mianara e

Tsy lalao ny fiainana mianara mianara 
Tsy lalao ny fiainanao , mianara mianara

Oh oh oh oh 
Tsara ny hira e ,mankafy mandihy e
Tsara ny hira e , mankafy mandihy e

Lakilasy miandry anao mianara e
Miandry anao e, mianara e miandry anao e ee
Tsra e ny hira e ny hira e tsara e ny dihy e ny dihy e
Tsara e ny tsena e ny varotra mandeha tsara e tsara e
Tsaratsara ny feonao kanto ery ny mihainao anao
Lakilasy nomena anao lakilen'ny fiainana

Lakilasy no lakile, lakilasy no lakile
Lakilasy no lakile , lakilasy no lakile

A:TIANA
C:Benja Mahavanona
Arr/ Samy Andriamanoro
 
RAHA TSY TARA

SI CE N'EST PAS TROP TARD
On a grandi ensemble , liés par l'amitié
La vie nous a séparé, on s'écrivait souvent
Après ces longues années j'ai compris tes sentiments
je reviendrai pour ton regard Si ce n'est pas trop tard

Eh mbola ho avy aho hamangy anao                                  
Raha tsy tara (eh raha tsy tara an an)                  
                                                                                   
Eh mbola ho avy aho hijery anao
raha tsy tara an an                                                                                   
Eh raha tsy tara an an                                                          

Eh mbola ho avy aho hamangy anao raha tsy tara 
Eh raha tsy tara an an 
Eh mbola ho avy aho hihaino anao 
Raha tsy tara a 
Eh raha tsy tara an an 
  Music : mbola ho avy aho ho anao  ôô
  Raha tsy tara  mbola ho avy aho ho anao

Dia tsy nilalao ianao raha tsy teo anilako
Tsy nivoaka ianao raha tsy manaraka aho 
Zay moa lay tantara e aô

Zaho moa mbola zaza tsy nahazo an-tsaina
Izay nafeninao am-po tsy nolazaina
Ho avy aho raha tsy tara  hum raha tsy tara e 

Amiko hatrizay dia namako ianao
Fa nanintona ahy ny faharetanao 
Ho avy aho raha tsy tara an 

Izaho moa mbola zaza tsy nahazo an-tsaina izay nafeninao 
Am-po tsy nolazaina fa 
Ho avy aho raha tsy tara 
Ôou ôu  

Hatramin'izay ka hatramin'izao 
Namako akaiky no niantsoiko anao 
Nivaivay ta-ponao tao ô
Fitia ho ahy notananao ô

Hatramin'izay ka hatramin'izao ô
Namako akaiky no niantsoko anao 
Ho avy amin'izay aho ho anao ô
Efa voaraiko ny antsonao ô
A/C/ Tiana
Arr/Tiana
 
Tantara mitohy                                              

Histoire sans fin
Quand la musique est injectée dans les veines
La machine à contre sens est activée
Ce monde mal compris n'est pas sans peine      
Mais on s'accroche à cette passion qu'on aime
On travaille quand le monde a sommeil   
On déjeune à minuit en cas de "  non oubli "
On écoute sans entendre, on regarde sans voir
Parfois découragé, on ne veut jamais arrêter


 Eh io eh io aio iaye                                                              
Fa tantara mitohy ny anao ity ralala ô                  
Fa tantara mitohy anie                                          
                                                                              
Tsisy fara tsy hita loha                                        
                                                                                    
Fa tantara mitohy ianao sy ny hiranao                 
Mifanenjika amin'ny lera lava                             
                                                                            
Tsisy andro tsisy alina

Fa tantara mitohy ny anao ity ramatoa                      
Fa tantara mitohy anie                                               
Tsisy fara tsy hita loha                                               
Fa tantara tsy fohy 
Ho faranana                                                                
Nefa mihitatra fa masaka, tsy foinao , tsy arianao       

Mbola kely ianao dia latsaka tao anaty            
 Solfa ,                                                                    
Tao anaty rànao no nipariaka ny atao                    
                                                                                                       
 hoe mozika e                                                            
Ny fianaranao nampanahy                                              
Ianao efa sahisahy 
Mivoaka hianatra fa hay nadeha nihira any an-dohasaha e

Fa tantara mitohy ny anao ity ramatoa
Dia mivelona amin'ny hira ianao                                  
Tsisy lera toa birao                                                      
Ny sakafo sy matory indraindray 
dia adinonao e                                                
Lasam-borona mamorona ,                            
                                                                       
tsy maheno akaiky ianao                                  
Mila domina hiverina eto an-tany                  
 vao mamaly izany e
 ou oo ou aiae 
Dia mivadika tontolo ianao    ôka                       
Ny fifohazana no fandrianao                         
Folak'andro no sakafo maraina                     
Asa tara no efa andrandraina                         
Indraindray tsy mahazo anao                         
Ireo manodidina                                             
Tsiny foana no omeny anao                          
Tsiky foana no asetrinao                               

Tsarovy e tsarotsarovy e lalandava                           
Tsarotsarovy e lalandava zay lazaina anao

A/C: Tiana
Arr: Tiana/Samy Andriamananoro
 
TSOFY RANO 

Bénédiction
Dans la Grande Ile, on demande la  bénédiction 
ou l'approbation des aînés avant de partir en voyage 
et changer de coutume suite à un mariage .

Tsofy rano ô, tsofy rano
Tsofy rano zaho mama
Tsofy rano tsofy rano , 
Tsofy rano zaho dada                       

Iae iaô  iae e ia
Iae o iae iao eia 

Tsofy rano ô tsofy rano 
Ndeha hanorina akany e 
Any am-pita any ho any e     
Maro no hanavao ô     
Hafa fomba fanao ô      

Iaie ……..

Tsofy rano ô tsofy ……                         
Ndeha  hanorina akany e
Any am-pita any ho any e
Maro no hanavao ô
Hafa fomba fanao ô

Mafy anie ny mandao ô                                       
Lavitra anareo Havana                                         
Fa ilay hira no hirao ô                                          
Dia toy ny mifampitazana                                  

Raha  ny embona tsy hay ho lazaina                   
Fa ny soa no atao be an-tsaina                              
Raha mba maina kely ianareo dia resaho ô         
Ny andro niarahana                                                      

Tsofy rano tsofy rano , tsofy rano ahaleo ô
Tsofy rano tsofy rano tsofy rano ahalasa

Auteur: Tiana
Compositeur : Benja Mahavanona
Arr: Tiana/Samy Andriamanoro
 
VAIAVY MANDIHY   

Danseuse de Salegy
Elle est belle comme une fleur, Mais il ne faut pas la cueillir, 
Elle tourne comme une toupie, Mais il ne faut pas l'arrêter, 
La danseuse de salegy nous parle avec ses mouvements, 
Elle reflète la joie, nous transmet la gaieté

Tsara vaiavy mahay mandihy e tourné (2)     
Mody miahotra maka bahana izy e                
Mila mpandrisika mila doka kely e 
                                                     
Mitsangana e mitsangana e mitsangana           
Fa tantanako ô 

Tsara vaiavy mahay mandihy e
Mahafalifaly mpitazana
Mahafatifaty toa vonikazo Dalia
Tandremo ô
Tsy azonao toazana

Tsara vaiavy mahay mandihy e
Mahafalifaly izay tohina
Mihodikodina toa tandrimo vazaha
Tandremo ô
Tsy azonao samborina

Mianjona izany e mianjona izany e
Mianjona kely e dia mitsiky e
Mampitamby e

Ny sentosentonao, ny olanao ,
 ny tomany
Tsy tsaroanao raha vao mijery mpandihy salegy
Manetsiketsika andilana

 A/C TIANA
 
ZOMA HARIVA
                                                           
VENDREDI SOIR
Après une dure semaine de travail 
On se donne rendez vous pour une ballade en pleine nature
Musique-baignade-pèche-grillade

Tsy andry foana ilay fotoana 
Hialàna ny rotoroto lava 
Hum  hum  soulagé     
Hafaliana, ny fodiana; herin'andro  
Niasana isan'andro hom hom hom       

Soulagé, hé hé                               
Feno foana ny arabe 
Mikorana manao fiainam-be  
Hom hom hom soulagé.x2   

Zoma zoma  mahafinaritra anio ô ô                          
Zoma zoma ho aiza isika anio ô                                
Zoma zoma mahafinaritra anio ô                              
Zoma zoma  ndao hisinda any ho any                       
Mba hifoka ny rivo-madio eie !                                

(Roahy fa hariva )x2

Ndao malaky e fa hariva, malaky e fa hariva            
Mbola lava ny lalana e , ho lava ny lalana e              

Dia hilomano an-doharano                                        
Dia hilasy hiventy hira gasy                                   
Ou ou on est bien, ou ou  c'est l'été!                           
Zoma zoma etc…..                                                  

Ndao malaky e fa hariva , malaky fa hariva             
Mbola lava ny lalana e ho lava ny lalana e               

Takariva e hafa indrindra a                                       
Tsy an-tanana e ia fa any an'ala a a                      

A/C : TIANA
ARR : Tiana/Samy A.